Tsy namela fakam-panahy mampidi-doza ao aoriako mihaotra ny lehilahy amin'ny vehivavy aho
Tatitra azo avy amin'i Oussam Ibn Zayd (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy namela fakam-panahy mampidi-doza ao aoriako mihaotra ny lehilahy amin'ny vehivavy aho."
Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Explanation
Nilaza i Mpaminany (S.A.W) fa tsy namela tao aoriany ny fitsapana na fakampanahy mahery vaika izay manimba mihoatra fakampanahy ny lehilahy amin'ny vehivavy; Raha anisan’ny ankohonany ilay vehivavy, dia vosedra izy fiarovana azy amin’ny fandikan-dalàna, ary raha olon-tsy fantatra (tsy ankohonany) kosa ilay vehivavy, dia vosedra izy amin’ny fifangaroany sy ny fiarahany mitakosina aminy ary ny faharatsiana aterak’izany.
Hadeeth benefits
Tena tokony ataon'ny mpino silamo dia mitandrina amin'ny fakam-panahy ataon'ny vehivavy, ary manidy ny làlana rehetra izay mitondra makany amin'ny fakam-panahy.
Tokony hifikitra amin’Allah ny mpino ary maniry mba ho voaro amin’ny fakam-panahy.
Share
Use the QR code to easily share the message of Islam with others