- Tsy tafiditra ho ao anatin’ny sokajin’ny fifandirana izay tsy azo ekena izany rehefa sendra mitaky ny Zony amin’ny alalan’ny fitsarana ilay Olona izay voaheloka.
- Ny fifamaliana sy ny fifandrafiana dia anisan’ny lozam-pifamoivoizan’ny lela izay miteraka fisaratsarahana sy fifandirana eo amin’ny samy Mpino Isilamo.
- Mendri-piderana ny fifamaliana raha toa ka momba ny marina sy ny fomba fanaony amin'ny endrika tsara, ary ny fandavana ny marina sy ny fanamafisana ny lainga, na ny tsy misy tohan-kevitra na Porofo, dia tsy mety.