- Fanazavana ny sasany amin'ireo famantarana ny mpihatsaravelatsihy mba ho fampitahorana sy fampitandremana mba tsy ho latsaka ao anatiny.
- Ny tian'ny hadith holazaina dia ireo toetra ireo toetran'ny fihatsarambelatsihy, ary ny olona manana izany dia mitovy amin'ny mpihatsaravelatsihy amin'ny alan'ireo toetra ireo, ary manaraka ny fitondran-tenany, fa tsy hoe mpihatsaravelatsihy izay mampiseho ny finoana silamo nefa manafina ny tsy finoana, voalaza fa izany dia ho entina ilazana ny olona izay anjakan’ireo toetra ireo ka manao tsirambina sy manao tsinotsinona azy. Ka ny olona tahak'izany dia matetika simba ny finoany.
- Nilaza i Al-Ghazali : Ny fototry ny finoana dia voafaritra amin'ny zavatra telo : ny fitenenana, ny asa ary ny fikasana, ka nanao fanairana izy amin'ny fahasimban'ny teny noho ny lainga, amin'ny fahasimban'ny asa noho ny fivadihan-toky, ary amin'ny fahasimban'ny fikasana noho ny fivadihana. Satria ny fivadiham-panantenana dia tsy mihantra afa-tsy niaraka tamin'ny fampanantena ny fikasana tsy hanao izany, nefa kosa raha tapa-kevitra izy hanao nefa avy eo dia nisy tambana niseho taminy na nisy hevitra niseho, dia tsy misy endrika fihatsarambelatsihy eo aminy.
- Misy karazany roa ny fihatsarambelatsihy : ny fihatsarambelatsihy amin’ny finoana izay mamoaka ny tompony amin’ny finoana, izany dia ny fanehoana ny silamo sy fanafenana ny tsy finoana, ary ny fihatsarambelatsihy amin'ny asa, izay manahaka ny mpihatsaravelatsihy amin’ny fitondran-tenany, ary izany dia tsy mamoaka ny tompony amin’ny finoana, afa-tsy ny hoe izy fahotana lehibe.
- Nilaza Ibn Hajar : Niray feo ny manam-pahaizana fa izay mino ao am-pony sy amin'ny lelany ary manao ireo toetra ireo dia tsy hotsaraina ho tsy mpino ary tsy ho mpihatsaravelatsihy izay hitoetra mandrakizay any amin'ny afobe.
- Nilaza i Nawawi : Nisy andiana manam-pahaizana nilaza hoe : Ny tiana holazaina dia ireo mpihatsaravelatsihy tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.A.W), ary nanambara ampahibemaso ny finoany saingy nandainga izy ireo, ary nankinina taminy ny finoany nefa namadika izy ireo, ary nampanantena fa hampandresy ny finoany nefa nivadika izy ireo, ary nihoam-pefy tamin'ny fifandirany.