- Ny fahamarinana dia toetra mendrika azo trandrahana sy ezahana, ka tsy mitsahatra ny manao ny marina ny olona iray ary mikatsaka ny fahamarinana, mandra-pahatongan’ny fahamarinana ho toetra raikitapisaka sy toy ny voajanahary ao aminy, ary voarakitra an-tsoratra eo anatrehan'I Allah ho isan'ireo olo-marina sy tsara izy.
- Ny lainga dia toetra ratsy izay azon’ny mpanao azy amin’ny alàlan’ny fanazaran-tena lava ary ny fampiharana azy amin’ny teny sy fihetsika, mandra-pahatongany ho lasa toetra raikitapisaka aminy, ary avy eo dia voarakitra eo anatrehan'I Allah ho isan'ireo mpandainga izy.
- Ny fahamarinana dia azo lazaina amin'ny fahamarinan'ny lela, izay mifanohitra amin'ny lainga, sy ny fahamarinan'ny fikasana, dia ny fahadiovam-po, ny fahamarina fanapahan-kevitra dia miankina amin'ny fahamarinan'ny fikasany, ary ny fahamarinana amin'ny asa fatao ny farafaharatsiny amin'izany dia ny fitovizan'ny tsiambaratelony amin'izay ataony ankarihary, toy ny fahamarinana amin'ny tahotra sy ny fanantenana sy ny hafa ankoatr'ireo, ka izay manana izany toetra izany dia voasoratra ho olo-marina, na koa amin'ny ampahany ihany dia voasokajy ho olo-marina.