- Ny misakana Anao tsy hanao ny Tsara dia tsy atao hoe saro-kenatra, fa kosa atao hoe sarimbavy, fahalemena, ary kanosa.
- Ny Henatra na ny fahamaotinana eo anatrehan’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia azo avy amin’ny alalan’ny fanaovana sy fanatanterahana an'ireo didy sy ny fialana amin’ireo zavatra voarara.
- Ny Henatra na ny fahamaotinana eo amin’ny Olona dia ny fanajana azy ireo, ny fametrahana azy ireo amin’ny toerany ary ny fialana sy fiatahana amin’izay zavatra mahamenatra izay mazàna sy nahazatra.