- Ny firafitry ny taolan'olombelona sy ny fahasalamany dia iray amin’ireo fahasoavana lehibe indrindra avy amin’I Allah Ilay Tsitoha, ka isaky ny taolana tsirairay dia tokony hamoahana fanomezana avokoa, amin'ny anarany manokana mba ho tontosa ny fankasitrahana amin'izany fahasoavana izany.
- Famporisihana hanavao ny fankasitrahana isan'andro mba ho fitohizan'ireo fahasoavana ireo.
- Famporisihana amin'ny fanohizana ny asa an-tsitrapo sy fanomezana isan'andro.
- Ny hatsaran'ny fampihavanana eo amin'ny olombelona.
- Mamporisika ny olona mba hanampy ny rahalahiny; Satria ny fanampiany azy dia fanomezana.
- Famporisihana ny olona hanatrika ny vavaka iombonana amin'ny alalan'ny dia tongotra, sy ny famelomana ny moske amin'ny alalan'izany.
- Voadidy ny fanajana ny làlan'ny mpino silamo amin'ny fanesorana izay rehetra manimba na mandratra azy ireo.