- Tsara ny manonona anaran’Allah rehefa miditra ao an-trano sy rehefa misakafo, satria ny Satana dia mandany ny alina manontolo ao an-trano ary mihinana ny sakafon’ny tompon-trano raha tsy nanonona ny anaran’Allah ilay Tsitoha izy ireo.
- Ny Satana dia manara-maso akaiky ny zanak’i Adama amin’ny asany sy ny fihetsiny ary ny raharahany rehetra, ka raha manao tsirambina ny fahatsiarovana Allah izy dia hahazo izay tadiaviny aminy ny satana.
- Ny fanononana ny anaran'Allah dia mandroaka devoly.
- Ny devoly tsirairay dia manana mpanaraka azy sy sakaizany izay mifaly amin’ny teniny sy manatanteraka ny didiny.